Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-“N1B Dames &U20 Garçons”: tompondaka ny CosPN2 sy ny MB2All

Basikety-“N1B Dames &U20 Garçons”: tompondaka ny CosPN2 sy ny MB2All

Nifarana, omaly tany Fenoarivo Atsinanana, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1B vehivavy sy ny U20 lehilahy, taranja basikety. Tompondaka teo amin’ny sokajy N1B ny ekipan’ny CosPN2 Atsinanana, ny ekipan’ny MB2All Analamanga kosa no nivoaka mpandresy teo amin’ny lehilahy, latsaky ny 20 taona. Raha fintinina ny lalao famaranana, isa 61 ny nandavoan’ny CosPN2 ny MB2All Analamanga, niady tanteraka ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta. Azo lazaina ho tsy nampoizina ihany ity voka-dalao ity satria tena nanana ny tanjany ny MB2All hatrany am-piandohan’ny fifaninanana. Na izany aza, ekipa roa samy manana ny maha izy azy izy ireo satria nanamotsana ny mpifanandrina taminy, tamin’ny isa mavesatra avokoa, tamin’ny lalao manasa-dalana.

Ho an’ny sokajy lehilahy, latsaky ny 20 taona kosa, tsy nanaiky ny ekipan’ny MB2All raha tsy azony ny anaram-boninahitra. Isa 91 no ho 84 ny nandavoany ny ekipan’ny ASCB Boeny. Efa hita soritra hatrany am-piandohana ny herijka ho an’ity ekipan’Analamanga ity ka izao nahazo vokatra tsara izao. Voka-dalao hafa kosa, laharana fahatelo, teo amin’ny N1B vehivavy, ny ekipan’ny CRJS Atsinanana, rehefa nanilika ny Serasera Vakinankaratra tamin’ny isa 65 no ho Teo amin’ny U20 lehilahy kosa, tafapetraka eo amin’ny laharana fahatelo ny ekipan’ny2BC Analanjorofo rehefa nandresy ny Serasera Vakinankaratra, tamin’ny isa 58 no ho 55.

 

Mi.Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique