Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sendra ny nahay azy: nidoboka am-ponja ilay mpamily taxi-be nanompa polisy

Sendra ny nahay azy: nidoboka am-ponja ilay mpamily taxi-be nanompa polisy

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ary miandry ny fitsarana azy, ny alatsinainy izao, ilay mpamily taxi-be nahery vava ka nanompa polisy, nandritra ny fisakanana azy. Lesona ho an’ny mpampily taxi-be hafa izao. 

Nidoboka am-ponja omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ilay mpamily taxi-be nanompa polisy sy nanary mpandeha. Araka ny fanazavana voaray momba ity raharaha ity, tsy nety hanatitra hatrany amin’ny farany ilay taxi-be fa nasain’ny mpamily nidina ireo mpandeha, saingy tsy nety nivoaka ny fiara. Nirifatra nihodina teo amin’ny “rond point” Tsimbazaza ilay taxi-be. Niezaka nampahafantatra ny mpamily amin’ny maha mpitandro filaminana azy ilay polisy, saingy valy boraingina miaro ompa mahatsiravina no nasetriny izany. Nilaza ity mpamily ity fa tsy maintsy miverina maka olona eny 67 ha. Niteny tamin’ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara anefa ilay polisy mba tsy hivoahan’izy ireo ny fiara. Niantso ny mpiara-miasa aminy avy hatrany ilay polisy ka raikitra ny fanenjehana ilay taxi-be. Tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy teny Andavamamba ilay taxi-be. Nosakanana mihitsy ilay fiara vao tafajanona. Nogiazan’ny polisy  ny fiara ary notazonina tao amin’ny violon ilay mpamily. Nametraka fitoriana ilay polisy niharan’ny ompa sy nampidina an-dalana. Niaiky ilay mpamily fa tena nanompa ilay polisy. Anatra ho an’ireo taxi-be sy mpamily tsy manaja mpandeha ny toy izao. Maraina mihogahoga tsy misy toy izany miantso mpandeha, kanefa rehefa hariva ny andro efa mba feno ny “versement” sy ny ambony ampanga ho an’ny mpamily sy ny resevera, mamilafila toy izao ny ataon-dry zalahy. Mijanona rehefa tsy hiasa e!

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique