Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Masoivoho japoney: vita ny efitranon-tsekoly 35

Masoivoho japoney: vita ny efitranon-tsekoly 35

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, i Madagasikara sy Japana ary hita soritra  izany. Vita ny efitranon-tsekoly miisa 35 anivon’ny faritra Atsinanana izay notokanana ny faran’ny herinandro teo tany Toamasina. Ny masoivohon’ny firenena japoney , i Ogasawara Ichiro, andaniny ary ny minisitry ny Fampianarana ambony, izay misolo toerana ny minisitryny fanabeazam-pirenena, profesora, Rejo-Fienena Félicitee, ankilany. Nanotrona ihany koa ny solontena maharitry ny JICA, Umemoto Shinji, nanatrika ny fitokanana ny tranon-tsekoly vokatry ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Noporofoin’ny minisitra tompon’ andraikitra fa mbola betsaka ny fiaraha-miasa iarahana raha tsy ilaza afa-tsy ny efitranon-tsekoly miisa 826 vao haorina. Hatreto,  efa miisa 92 ny efitranon-tsekoly manerana ny Nosy no natsangana tao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Malagasy sy ny Japoney. Mitotaly hatramin’ny  51 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny fanohanana ho an’ny sehatry ny fanabeazana. Notanterahina tamin’io fitokanana io koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny talem-paritry ny fanabeazanam-pirenena teo aloha, i Sambany Frederic sy ny talem-paritra vaovao, Ralainirina Razokiny Eric.

 

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique