Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate – « Coupe de Mada Enfant »: nisongadina  ny klioban’ny AKKA

Karate – « Coupe de Mada Enfant »: nisongadina  ny klioban’ny AKKA

Tontsosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboara an’i Madagasikara, teo amin’ny sokajy ankizy, taranja karate. Fifaninanana izay nahitana mpandray anjara betsaka indrindra teto Madagasikara, raha ny taranja karate no resahina. Tafakatra hatramin’ny 402 mantsy ny mpikatroka ary 52 ny klioba, izay nahitana solontena isaky ny faritra rehetra manerana ny Nosy. « Mahavelom-bolo ny mahita ny solofo dimby ny ala tonga marobe namaly ny antso, tamin’ity fifaninanana ity », io no nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja karaté, omaly.

Raha hiverenana ny vokatra, nisongadina tanteraka ny mpikatroka avy eo anivon’ny klioban’ny AKKA, izay nahazo fandresena miisa 7, niampy ny amboara ho an’ny mpikatroka, sokajy lehilahy. Rajaonarison Christian Fiderana (-35 kg) moa no nandrombaka ity amboara ity. « Efa ela no nanomana ary tsy manao ambanin-javatra ny kotrana, izany indrindra no anton’izao fandresena izao”, araka ny nambaran’i Christian Fiderana avy amin’ny AKKA Avaradrano. Azon-dRamamonjy Hasimbola Emilia (+ 45 kg), avy amin’ny KCRS, kosa ny amboaran’ny mpikatroka mendrika, sokajy vehivavy, tamin’ity fifaninanana ity. Nahavariana ny rehetra ny nandresen’ity tovovavy ity ny mpifanandrina taminy, izay tena lava no sady lehibe noho izy. Ireto avy ireo mpikatroka mendrika ho an’ny Kumité, sokajy vehivavy: -25 kg: Alexandra, + 25 kg: Sayah, – 30 kg: Topy, -35kg: Mihoby, +40 kg: Tiasoa, – 45 kg: Diary, + 45 kg: Emilia, -50 kg: Toky. Teo amin’ny lehilahy kosa, -25 kg: Julio, +25 kg: Noah, -30 kg: Mioty, -35 kg: Fiderana, -40 kg: Tendry, -45 kg: Mbolatiana, +45 kg: Tahiry, + 50 kg: Fabiol.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.