Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanodinkodinam-bola 18 miliara Ar mahery: tompon’andraikitra ambony tao amin’ny MFB sy ny Men voarohirohy 

Fanodinkodinam-bola 18 miliara Ar mahery: tompon’andraikitra ambony tao amin’ny MFB sy ny Men voarohirohy 

Olona 15, tompon’andraikitra ambony tao amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola (MFB), sy tao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men), ireo mpikambana rehetra tao anatin’ny kaomisiona mpanome tolotrasa, ary Razaimamonjy Claudine… samy voarohirohy tamin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fanaovana kolikoly, amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony.

Efa nalefan’ny eo anivon’ny Bianco avy hatrany eny anivon’ny Fitsarana manokana, misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) 67 ha, sy ny ao amin’ny Fitsarana avo (HCJ), misahana ny fitsarana ireo mpitondra fanjakana ambony, ny antontan-taratasy rehetra momba ity raharaha ity, omaly.

Niseho ny taona 2016 sy ny 2017 ity tranga fanodinkodinam-bolam-panjakana ity, niainga amin’ny tsenam-baro-panjakana ho amin’ny fanarenana sy ny fanamboarana fotodrafitrasa, toy ny EPP sy ny CEG any amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny. Nisahana ny fanadihadiana ny eo anivon’ny Bianco ho an’ny faritra Antananarivo ka nahasaronana ireto olona miisa 15 ahina ho voarohirohy ao anatin’izany ireto.

Mbola misy dian-tanan-dRazaimamonjy Claudine

Voamarika koa ny mbola maha eo hatrany ny dian-tanan’ilay mpandraharaha, Razaimamonjy Claudine, ka maha voarohirohy azy, ankoatra ireo raharaha hafa mbola maha voasaringotra ity olon’ny fitondrana teo aloha ity ka itazonana vonjimaika am-ponja azy etsy Antanimora amin’izao fotoana izao. Manampy izany ireo olona roa hafa, niray tendro aminy, ankoatra ireo olona ambony teo anivon’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny teo anivon’ny Fanabeazam-pirenena. Ankoatra izany, anisan’ny ahina ho mpiray tsikombakomba koa ireo vaomiera misahana ny tolobidy amin’ny tolotrasam-panjakana.

Araka izany, andrasana ny ho tohin’ny raharaha raha efa nanao ny anjarany sy ny asany ny eo anivon’ny Bianco, niainga tamin’ny fanadihadiana nataony. Efa any amin’ny Pac sy ny HCJ indray izany izao ny raharaha, manomboka eto.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.