Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy: « Hofaizina ireo manao herisetra amin’ny vehivavy…”

Vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy: « Hofaizina ireo manao herisetra amin’ny vehivavy…”

Tsy ambanambana intsony fa tena vaky ny ady amin’ny herisetra eto amintsika. Nanomboka, omaly teny amin’ny CCI Ivato, fanentanana ny ady amin’ny  herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha  vavy na ny mira lenta. Nitarika izany ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy.

Nambarany tamin’ny lahateniny fa ilaina ny fiaraha-miasan’ny rehetra manoloana ity ady ity. “Nihaona  tamin’ny minisitry ny Fitsarana sy ny Mponina izahay ny amin’ny fahafaha- mametraka rafitra hisorohana ny herisetra sy ny hanafaizana  ireo tompon‘antoka  ary   ny handraisana an-tanana  ireo iharan’izany”,  hoy izy. Nanteriny fa ilana fahavononana ny hampitsaharana ny herisetra. Fanombohana  ihany  anefa  izao fanentanana izao, araka ny  nambarany. “Mbola lavitra ny lalana hodiavina ary tsy vitan’ny resaka am-bava fotsiny fa mila  fandraisana andraikitra izany ady amin’ny herisetra amin’ny vehivavy sy  ny ankizy izany” hoy ihany  izy. Natsidiny tamin’izany fa hatao laharam-pahamehana ny famolavolana lalàna hiadiana amin’ny herisetra sy ho fiarovana ny zon’olombelona.

Fahavononana hivoatra

Notsiahiviny fa maro ireo efa nitondra takaitra noho ny herisetra. Niaina tantara mampalahelo sy manohina fo, nandalo lalam-piainana sarotra, nanaiky hizara izany. Niharan’ny herisetra amin’ny vatana ary nitondra  takaitra. Teo koa anefa ireo lehilahy,  ny ankizivavy niharan’ny fanolanana. “Niraisan’izy ireo ny fahavononana hivoatra. Mendrika hoderaina   ny  fahasahin’izy ireo.. . Matoky fa ny mpanabe na ny Andrimpanjakana sy ny fanjakana samy afaka mitondra anjara biriky hiady amin’ny herisetra. Ireo zatra ny lalan-diso kosa,  fotoana  izao hanovana famindra… Helohin’ny lalàna ny herisetra”, hoy ny filohan’ny Fitia.

Tsiahivina  fa mpiara-miombona antoka amin’izao famakiana ady amin’ny herisetra izao ny rantsan’ny firenena mikambana UNFPA sy ny eo  anivon’ny  minisiteran’ny Mponina ary  ny avy amin’ny Fitsarana.

Synèse R. 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique