Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Itaosy, ny faran’ny herinandro teo teny Antsahamasina Itaosy ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Maro ny tokantrano nitondra faisana noho ny asa ratsin’ity jiolahy ity. Voalazan’ny polisy fa variana nanao fety tao an-tokantrano ny fianakaviana iray ka tamin’izany no nanararaotan’ity jiolahy ity nisikotra ny varavarankely, kanjo tratran’ny tompon-trano izy ka noraisim-potsiny.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique