Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hakana  lesona…

Hakana  lesona…

Soa fianatra !  Anisan’ny nanamarika ity volana avrily madiva  hifarana  ity ny fahatsiarovana faha-25 taon’ny ady an-trano nifamonoan’ny samy Roandey tamin’ny fotoan’androny. Efa vita tanteraka  ny ady ary ireo zaza teraka taty aorian’ny fifamonoana  nobeazina mba  hanaja lalàna sy tsy maintsy manao asa  iombonana ho an’ny  firenena… Niaiky ny samy  Roandey fa mbola hiady foana raha fongarina hatrany ny fahasamihafana sy ny tsy fitoviana. Niara-nikaroka ny marina izy ireo ary tsy nitady ny meloka tamin’ireny ady an-trano ireny fa samy tonga saina. Niaiky izy ireo fa tsy mety intsony ny halokalofan’ireo nanjanaka azy. Nailika ny tenin’ireo vazaha… Napetraka ny fitsipika ifampifehezana ho an’ny olom-pirenena. Tsy nanao jadona akory ny mpitondra fa hentitra. Nanomboka  tsy faly ireo mbola manimanina ny andro fahiny. Narovan’ny mpitondra ny fireneny mba tsy hanjakan’ny vahiny sy ireo nahazo tombony tamin’ny fotoana  tany aloha. Sahy sy vonona hatrany niatrika ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary tsy nikoso-maso amin’ireo karazana fepetra napetraka. Noraisina ny fepetra samihafa. Nosakanany tsy hiditra any aminy ny lamba tontan’ny tandrefana “fripere”. Natsangana ny orinasa manamboatra ny entana  na lamba “ Vita Roandey”. Nahavita namorona fitaovana samihafa ireo injeniera teratany ary mitondra  ny marika any an-toerana izany. Niroborobo ny famoronana asa ary  nisitraka  ireny fitaovana vitan’ny mpikaroka sy ny manampahaizana  ao aminy ireny ny ankamaroan’ny mponina. Mihamahia  andro amanalina noho ny fieritreretana  ny fireneny ny filoha Kagame amin’izao fitantanany fanitelony  ny any Roanda izao. Miriaria tahaka  ny olon-tsotra eny an-dalana  sy amin’ny toerana samihafa  eny matetika  ny tenany. Manadio sy mandray kifafa aza indraindray… Tsy mila  mpiambina mirongorongo etsy sy eroa manara-dia azy eny ambony fiara na eny an-dalana rehetra eny.

Soa fianatra ary tokony hakana lesona ny atsy amin’ity firenena afrikanina  ity na ekena aza indraindray fa tsy Afrikanina  isika. Avy niaina adi-poko ny vahoaka sy  ny firenena, saingy hentitra ny fanapahan-kevitra fa tsy hivarotra ny tenany sy ny  taniny ary ny teniny amin’ny hafa. Navela  ny mampisaraka rehetra ka nojerena miaraka ny firenena…

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.