Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Tsy hahakasika an’i Madagasikara  i Kenneth. Araka ny nohamafisin’ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro, nitombo hery ary lasa « forte tempête tropicale » ilay andro ratsy Kenneth, omaly. Tany amin’ny 418 km tany avaratra andrefan’Antsiranana ny nisy ny foibeny, omaly maraina. Nizotra nianandrefana ny lalany ka nahatratra 20 km isan’ora ny hafainganam-pandehany.

Tsy nisy filazana loza momba ity rivodoza ity ho antsika, hatramin’ny omaly.  Mampitandrina ny mpampiasa ranomasina, eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy i Mahajanga, anefa  ny Meteo. Mety hahery ny rivotra amin’io faritra io.

Araka ny tombana, ho lasa « cyclone tropical » i Kenneth, anio ary manambana ny Nosy Kaomoro ary mety hiditra an-tanety any avaratr’i Mozambika ity rivodoza ity.

 

Les commentaires sont fermées.