Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nigadra teny Tsiafahy sy nandroba 100 tapitrisa Ar: saron’ny polisy ireo andian-jiolahy mpanafika

Efa nigadra teny Tsiafahy sy nandroba 100 tapitrisa Ar: saron’ny polisy ireo andian-jiolahy mpanafika

Nidoboka am-ponja rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-dRenivohitra. Efa nigadra teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny telo amin’ireto jiolahy ireto, araka ny fanazavan’ny polisy…

Miisa dimy ireto andian-jiolahy ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-dRenivohitra ireto. Araka ny fanazavan’ny polisy, efa ela nanangom-baovao momba ny fanafihana mitam-piadiana nataon-dry zalahy ireto ny polisy. Isan’izany ny fanafihana toeram-pivarotana trondro eny 67 ha, ny jolay 2018, ka nahaverezana vola 34 tapitrisa Ar, teo koa ny fanafihana orinasa iray eny Anosibe, ny janoary 2019 teo, ka lasan’ireo mpanafika tamin’io fotoana io ny vola 100 tapitrisa Ar. Taorian’ny angom-baovao rehetra, nametraka avy hatrany vela-pandrika ny polisin’ny Usi sy ny BC ka ny 18 avrily 2019 lasa teo no nahafahana nisambotra ny jiolahy telo teny Andavamamba sy teny Ankasina. Niaiky ny heloka vitany ireto jiolahy ireto nandritra ny famotorana nataon’ ny polisy ka nanondro ny toerana misy ireo namany mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Tratra teny Anosibe sy teny Ampefiloha, ny 19 avrily 2019, ihany koa ny jiolahy roa hafa ka vehivavy ny iray amin’izy ireo izay mpanolotsaina sy mpanome loharanom-baovao ireto jiolahy ireto. Hita tao an-trano, nandritra ny fisavana nataon’ny polisy, ny basy PM Mat 49 iray izay mbola anaovana fanadihadiana ny fiavian’ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity.

 Jean Claude

Les commentaires sont fermées.