Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cnaps: fiahiana sosialy any Soavinandriana

Cnaps: fiahiana sosialy any Soavinandriana

Natao, ny 16 hatramin’ny 18 avrily teo, ny fiofanana mikasika ny fiahiana sosialy, any amin’ny distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Miisa 50 ny nandray anjara, nahitana mpampianatra, nahitana mpianatra, nahitana lehiben’orinasa tsy miankina sy tetikasa, nahitana fikambanana tsy miankina, nahitana mpiasam-piangonana, nahitana ben’ny Tanàna, sns.

Mbola manjavozavo ho an’ny ankamaroan’ny olona any Soavinandriana ny fiahiana sosialy, indrindra ny zo sy ny lalàna mamaritra azy. Raha ampitahaina amin’ny any ivelany, mbola 14% ihany ny tahan’ny fandoavana latsakemboka.

 Nitarika ny fiofanana ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny sosialy (SASS) ao amin’ny Cnaps, Randrianarijaona Charles Emilson. Nambarany fa « ny toeram-piasana milamina no ahitana vokatra, ary mpiasa tena afaka mamokatra ny mpiasa tony voaaro amin’ny lafiny sosialy. Anisan’ny hanatrarana izany tanjona izany ny fiahiana sosialy omen’ny Cnaps ny mpiasa malagasy ».

Aro loza am-perinasa sy fahasalamana

Nandritra ity fiofanana ity, nilaza Rtoa Holiarimiarana, mpanabe ao Soavinandriana, fa « zava-dehibe ny fahafantarako fa miahy ny zaza dieny any am-bohoka ny Cnaps ary tsy diso anjara amin’izany ity ato am-bohoko ity.

Zava-baovao nampahafantarina ny mpiofana any an-toerana ny fiahiana fahasalamana sy ny aro loza eny amin’ny toeram-piasana. Nahaliana azy ireo koa ny fomba famenoana ny antontan-taratasy sy ny fikajiana ny vola tokony ho azo amin’ny trangan-javatra mety hiseho. Nitsotra ny lehiben’ny Jirama Soavinandriana, i Herilanto Nirina, fa « ilaina amin’ny fitantanana ny orinasa sy ny mpiasa ny Cnaps.

Nanome toky ireo ben’ny Tanàna any Ampary sy any Soavinandriana fa handoa ny anjarany ho an’ireo mpiasany izy ireo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.