Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy voahaja ny zon’ny ankizy: voatery manivana volamena  ireo mpianatra ao Dabolava

Tsy voahaja ny zon’ny ankizy: voatery manivana volamena  ireo mpianatra ao Dabolava

Miaina anaty fahasahiranana lalina  ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny kaominina Dabolava any Miandrivazo. Lasa manivana  volamena ireo ankizy tokony  hianatra any an-tsekoly… Fanadihadiana.

Maro ireo ankizy tsy mianatra fa teren’ny ray aman-dreny hanivana volamena mba hatao sakafo sy ivelomana… Tsy maintsy atao rahateo ny adidy samihafa”, hoy ny raiamandreny iray, Tiana ao Dabolava, tamin’ny  fandalovana tany an-toerana, ny herinandro teo. Telo ny  zanany miaraka aminy miasa volamena isanandro ao anaty rano eo amin’ny  tetezan’i  Dabolava. 10 sy  12 ary  15 taona  izy  ireo. “Tena sahirana izahay ka tsy maintsy manaraka anay miasa volamena izy ireo. Efa tsy  tafiditra an-dakilasy intsony noho ny vola tsy maintsy aloa any an-tsekoly.  Manodidina ny 1 2000 Ar isam-bolana izany ho an’ny zaza iray” hoy  ny renim-pianakaviana  iray, Raharimanana Fleure. Niteraka efatra  mianadahy izy ary manampy azy manivana volamena ireo zaza ireo. Manomboka amin’ny 8 ka  hatramin’ ny  2 ora tolakandro ny asa. Mahazo akotry; araka ny fomba filaza azy izy ireo ka vidin’ny mpandanja, 4 000 Ar izany. Efa manana fandaharam-potoana kosa  i Fitahiana, 12 taona.

Mbola mianatra, saingy manokana fotoana 

Mbola mianatra izy ary  manampy ny raiamandreniny amin’ny fanivanana volamena, saingy manokana fotoana. “Mianatra aho manomboka alatsinainy hatramin’ny zoma. Ny asabotsy aho miasa volamena ary ny alahady kosa indray mandeha mivavaka”, hoy izy. Ny namany  iray antsoina  hoe Tsivahiny kosa,   niala nianatra teo amin’ny kilasy T2,  rehefa tsy nahaloa saram-pianarana ary lasa manivana volamena. Tsy maintsy tsinjaraina ny vola azo isam-bolana ka eo  ny vola aloa amin’ny mpitandro filaminana  miady amin’ny asan-dahalo.  Analiny isam-bolana  izany. Eo koa  ny hofan-trano  ary ny  sakafo andavanandro. Tsy  tafiditra ao anatin’izany ny vola tokony haloa ampianarana ireo  zaza. Farafahakeliny, mandany 50 000 Ar isambolana eo ny fianakaviana iray. “Tena mavesatra ho anay io vola mivoaka io… Tsy mamboly firy intsony ny olona noho  ity volamena ity. Tonga ety aminay ireo mpandanja eo amoron-dalana, ambony tetezana eo… “, hoy  ihany Raharimanana Fleure. Amin’ny ankapobeny, manodidina ny 3 ka hatramin’ny 15 taona  ireo zaza  tokony  hiditra an-tsekoly voatery manivana volamena  manampy amin’ny fivelomana ary eo amin’ny 80% mahery ireo zaza tsy miditra an-tsekoly ao an-toerana.

Mandevina  isan-kerinandro noho ny kitrotro…

Olana ho azy ireo koa anefa ny valanaretina. Mbola mamely any an-toerana ny kitrotro.  “Mandevina foana izahay ao anatin’ny herinandro noho io valanaretina io. Mbola  maika hanao adidy amin’izany  izao  izahay izao, handeha handevina  rehefa avy eo… Tsy maintsy mandoa vola 1 9000 Ar any amin’ny dokotera  raha tratran’ny kitrotro”, hoy ihany io renim-pianakaviana io. Hita taratra rahateo izany satria feno mibontsimbontsina, manambara kitrotro ny  tarehin’ny zaza iray teo an-drenirano nanivana volamena tamin’io fotoana io.

Iraka manokana tany Dabolava, Synèse R.

Les commentaires sont fermées.