Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fenoarivo Atsinanana: olona telo maty natelin’ny ranomasina

Olona teo indray natelin’ny ranomasina tany Fenoarivo Atsinanana, ny alahadin’ny paka teo, tokony ho amin’ny 11 ora antoandro. Ankizivavy manodidina ny 14 taona eo ny roa lasan’ny ranomasina. Nanavotra azy kosa ny rangahy iray izay havany ihany ka mbola natelin’ny ranomasina ihany koa. Natao ny fikarohana, ny razan’ireo ankizivavy roa no hita, ny alahady teo. Omaly kosa no hita ny razan’ilay rangahy. Voalaza fa olona avy any Ambohibary Antsirabe izy ireo ary nandeha niala sasatra tany Fenoarivo Atsinanana. Anisan’ny faritra mahery ny ranomasina any an-toerana ka nahatonga ny loza. Rehefa amin’ny fotoanan’ny fety, matetika itrangan’ny loza ka mila hitandreman’ny rehetra. Eo ihany koa ny fanaraha-maso ataon’ny ray aman-dreny.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.