Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analamahitsy: mpanendaka ambony moto niharan’ny fitsaram-bahoaka

Analamahitsy: mpanendaka ambony moto niharan’ny fitsaram-bahoaka

Roa lahy voalaza fa mpanendaka ambony moto, sady mpidaroka amin’ny hazo tratran’ny olona teny Analamahitsy, ny alahady hariva teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Nidaroka olona teo ambony moto teny Andrononobe mihitsy izy roa lahy ireo no nifanenjehana. Tsy namelan’ny olona raha tsy tratra, ka teny Ambohitrarahaba no voasambotra. Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany izy roa lahy. Nanamparan’ny olona ny hatezerany, izay efa ela nampitondra faisana ny mpandeha moto amin’iny lalana iny. Ny ainy sisa tsy nanaraka tamin’izany. Tonga teny an-toerana ny polisy naka azy ireo.

Tsy mpanao fitsaram-bahoaka loatra ny olona teo an-dRenivohitra, fa tamin’ity kosa feno ny kapoaka. Efa malaza ratsy ary mampihorohoro ny olona mihitsy ry zalahy ireo. Tsy eny Analamahitsy ihany, amin’ny faritra maro fa tamin’ity vao nisy tratra. Tsy mahasakana ireo mpanendaka hanao ny asa ratsiny ny fisian’ny mpitandro filaminana manao fisafoana. Ireto farany izay hita fa nihena tato ho ato.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.