Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsanganana… mitondra famonjena

Fitsanganana… mitondra famonjena

Paska na Paka indray izao, fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Efa any amin’ny voninahiny Izy, nitsangan-ko velona rehefa nisolo vaika ny terak’olombelona ho fandresena ny fahafatesana amin’izay mino Azy: “Izay mino ny Zanaka no velona aina mandrakizay.” (Joh 2: 36, Diem).

Amin’izany, mila mandinika sy mitsara tena ny tsirairay: aiza ho aiza amin’izao Paska na Paka izao? “Diniho ny tenanareo ka izahao toetra raha velona amin’ny finoana tokoa ianareo na tsia.” (2 Kor 13: 5, Diem). Sao mandalo sy endrika ivelany ihany izao fotoam-pahatsiarovana izao fa tsy mitondra inona?

Mitaky finoana tsara orina sy matanjaka ary maharitra izany. Tsy mandeha ho azy amin’izao. “Raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin’ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.” (Joh 12: 24, Diem). Iainana andavanandro mandavantaona izany amin’izay atao sy aleha rehetra.

Aiza ho aiza àry ny finoana ny fandresena amin’izay ady atrehina isan’andro? Raha ho an’ny fitondram-panjakana amin’izao: eo, ohatra, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsimatimanota, ny ady amin’ny fivarotana tanindrazana… Inoana sy azo antoka ny fandresena?

Tena atao amin’ny sehatra sy ny olona rehetra, na rahoviana na rahoviana… Tsy inona fa ho famonjena ny vahoaka sy ny firenena latsaka lalina ao anatin’ny fahalovana. Raha tsy misy ny fiaretana sy ny faharetana amin’izany, ho zava-poana sy endri-javatra ivelany ihany. Tsy ananan-kavana tokoa ny raharaham-pirenena?

Ho tena fitsanganan’ny fitondrana ho amin’ny famonjena izany, ho fitsanganan’ny firenena ihany koa amin’ny fandresena ny fahantrana, ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany, ny fanilihana ny fahavoazana ho tsy fahombiazan’ny teo aloha hatrany… Efa lasa ny zavatra taloha, ary indro ho tonga vaovao tokoa?

Vaovao eo amin’ny atao izany, eo amin’ny fomba fiasa, eo amin’ny fijery… Asa mivaingana no itsarana izany: tena misitraka sy mahatsapa fiovam-piainana ve, ohatra, ny vahoaka ifotony? Na amin’izao na amin’ny mbola ho avy…

Rafaly Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.