Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firarazana RN4: raikitra ny tolon’omby

Firarazana RN4: raikitra ny tolon’omby

 

Manome lanja ny kolontsaina mampalaza ny faritra misy azy any Tamponketsa ny Ekar Firarazana, kaominina Ankazobe RN4. Ho raikitra ny tolon’omby ho an’ny mpitsangantsangana, ny alatsinain’ny Paska tontolo andro. “Natao hisarihana mpitsidika sy anehoana kolontsaina mampiavaka ity toerana natao ho fiompiana omby hatramin’izay ity izany. Miendrika fanatanjahantena ny tolon’omby, saingy mifanandrify kokoa aminy ny vakoka kolontsaina noho ny fifandraisan’ny fanatanterahana azy amin’ny tranga ho an’ny kolontsaina isan-karazany any amin’ny fiarahamonin’ny mpiompy”, hoy ny mpikarakara. Hisahana ny fanatontosana ny hetsika ny teknisianina matihanina, Radondrahona Rodolphe.  Hiakatra kianja amin’izany ireo omby voafantina miisa 30, mandritra io andro io. “Handray anjara ireo mpitolona omby avy amin’ny foko samihafa monina any Tamponketsa. Hisy koa mpisavika 10 mirahalahy nasaina manokana avy any Fehizay-Ambositra ho avy, ho mariky ny fifanakalozana kolontsaina isam-paritra na mitovitovy ihany aza ny fanao isam-poko eto amintsika”, hoy izy. Lanonana sady fitsangantsanganana ny hatao ka ahitana ireo ilaina rehetra amin’izany. Hanafana ny hetsika i Bagzana avy any Menabe. Tsy hanahirana ny rehetra ny fitaterana sy ny fahatongavana any amin’izao lanonana andiany faharoa izao.

Synèse R.  

 

Les commentaires sont fermées.