Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fambolena ekolojika: mpanolotsaina miisa 30 amin’ny fambolena ekolojika

Fambolena ekolojika: mpanolotsaina miisa 30 amin’ny fambolena ekolojika

Sambany misy mpanolotsaina manokana, teknisianina amin’ny fambolena, manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika. Afaka miasa avy hatrany izy 30 mianadahy, nahavita fiofanana tany amin’ny sekolin’ny Fambolena any Toamasina sy any Fianarantsoa.

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly teto Antananarivo teny amin’ny sekoly mikasika ny fambolena Ambatobe, ny 30 mianadahy, mpanolotsaina manokana amin’ny fambolena ekolojika (CACAE). Andiany voalohany izy ireo, nanaraka ny taom-pianarana 2017-2018. Namolavola ny fanatanterahana azy ny Fandaharanasa matihanina amin’ny lafiny fambolena ekolojika (GSDM), tamin’ny alalan’ny Tetikasa Papam, vatsin’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), tohanan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), ny Fofifa, ny oniversite, ny ONG sy ny tetikasa maro.

Miisa 18 ny mpampianatra mpampiofana, naharitra roa taona, niompana amin’ny fambolena mifanaraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tany amin’ny Sekoly fanofanana teknisianina amin’ny fambolena (EFTA) any Iboaka Fianarantsoa sy any Analamalotra Toamasina ny toerana nianarana.

Tanora 21 hatramin’ny 40 taona izy ireo, ary fepetra notakina ny fananana diplaoma teknisianina amin’ny fambolena (DTA), na koa, manana bakalorea ary efa niasa nandritra ny roa taona eo amin’ny sehatry ny fambolena, na nanao fiofanana mikasika ny fambolena nandritra ny roa taona.

Afaka mandray azy ireo avokoa

Araka izany, nisy amin’izy ireo voatery niala tamin’ny asany mihitsy satria tsy maintsy nanaraka ara-potoana ny fiofanana. Na izany aza, nilaza ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana, fa mampiavaka azy 30 mianadahy ireo ny fahafahany avy hatrany miasa. Afaka mandray azy ireo avokoa ny mpisehatra isan-tsokajiny, toy ny fandaharanasa, ny tetikasa, ny fikambanana na ONG, na orinasa tsy miankina, amin’ny fambolena sy ny fampandrosoana eny ambanivohitra, sns. « Mila miova ny fomba fambolena eto amintsika ary maro ny fomba hanitarana ny fanatanterahana izany », hoy ihany izy.

Nambarany koa fa hiitatra any amin’ireo sekoly momba ny fambolena hafa ny fiofanana manaraka ho an’ny andiany faharoa, eny Ambatobe Antananarivo sy any Bezaha Toliara. Marihina fa ahitana sekoly EFTA avokoa ny renivohi-paritany enina eto Madagasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Ho an’ity andiany voalohany ity, avy any amin’ny faritra samihafa eto amin’ny Nosy izy 30 mianadahy ireo, nanaraka ny fiofanana tany Toamasina sy tany Fianarantsoa. Toy ny avy any Bekobay Mahajanga II, avy any Ambatofinandrahana, avy any Bezaha Toliara, avy any Anosy Tsararafa, avy any Amboasary Gara, avy any Antanifotsy, avy any Ampefy, avy any Vangaindrano, avy any Ikalamavony, avy any Belo Tsiribihina, sns.

Nomena lanja koa ny lafiny miralenta ka amin’izy 30 mianadahy, 20 ny lahy ary 10 ny vavy. Notsinjaraina, 10 lahy sy 5 vavy avy, niofana tany Toamasina sy tany  Fianarantsoa.

 

 

Les commentaires sont fermées.