Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boxe – “Lalaon’ny Nosy”: hanaovana ady fitsapana ireo mpikatroka

Taorian’ny fiatrehana ny tapany voalohany amin’ny fampivondronana ho fanomanana ny « Lalaon’ny Nosy », nanapa-kevitra ny hanao ady fitsapana ireo mpikatroka ny eo anivon’ny federasiona malagasy ny taranja boxe. Hotanterahina ny 27 sy 28 avrily izao izany, hijerena akaiky ny tena mendrika. Araka ny efa notaterina teto, misy ekipa roa ny hifanintsana amin’ity ady fitsapana ity. Ny ekipa A, ivondronan’ireo atleta voafantina hiatrika ny fampivondronana. Ny ekipa B kosa, ireo solontena isaky ny ligim-paritra manerana ny Nosy. Hamoaka mpikatroka iray isaky sokajy ny ekipa A raha toa ka mpikatroka miisa roa isaky ny sokajy kosa ny hotsongaina ao amin’ny ekipa B. Izay tena mendrika amin’izy ireo avy eo no handrafitra ny ekipa hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy”. Ho hentitra tanteraka ny mpitsara amin’ity fitsapana satria tanjona amin’ity “Lalaon’ny Nosy” ity ny handrombaka medaly volamena maro, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy, Rabarison Hery Mamy.

Eo amin’izay fanomanana ny “Lalaon’ny Nosy” izay hatrany, nahazo fanampiana fitaovana avy amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard, ny mpikatroka, ny talata lasa teo. Gants miisa 20 sy “sac de sable” maromaro ny natolony tamin’izany. Mbola hisy ny fanampiana homen’ity minisitra mpiahy ny taranja boxe ity, ho fanohanana hatrany ny atleta malagasy.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.