Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seces sampana Antananarivo: miandry fanatanterahana ny vahaolana tapaka 

Miandry ny fitanana an-tsoratra ny zavatra nifanarahana fa hotanterahin’ny fanjakana ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny filohany omaly, Ravelonirina Sammy Grégoire, teny Ankatso. Maro ny mpampianatra nanatrika ny fivoriambe, omaly teny Ankatso, momba ny tatitra amin’ny firosoan’ny fitakiana. Nisy ny vahaolana azo ekena taorin’ny dinika tamin’ny praminisitra, ny talen’ny kabinetrany sy ny minisitra mpiahy ny fampianarana ambony. Efatra ny mpampianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo nahazo ny « dérogation spéciale pour le maintien en activité ». « Maître de conférence » sy « maître de recherche » avokoa izy ireo. Handray ny andraikitra amin’ny fikarakarana ny « reclassement »  na ny fiakarana amin’ny sokajin’asa ambony ahafahana mahazo andraikitra ny primatiora satria tokony hitohy izany. 110 izy ireo ny miandry izany. 64 ny taona 2017, nahatratra 64 ny taon-dasa ary 10 ho an’ity taona ity, araka ny fanazavana azo ihany. Momba ny « rappel » ho an’ny didim-panjakana telo, hanome ny ampahany amin’ny fanatanterahana ireo didim-panjakana ireo ny fanjakana ka hampidirina amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola nasiana fanitsiana, ny taona 2019, izany. Izay zakan’ny fanjakana ihany aloha no homena fa hodinihina miandalana ny ambiny. Misy koa ireo mpampianatra mpikaroka mihoatra ny 70 taona miandry ny fanomezan’ny fanjakana ny “indemnité de recherché”, nanomboka ny taona 2016 no ho mankaty.

Mbola misy dinika iarahana amin’ny Seces any amin’ny faritra  

Hodinihina miaraka amin’ny tomponandraikitry ny minisitera mpiahy sy ny ireo voakasika sy ny mpikambana amin’ny Seces any amin’ny faritany ny ora amin’ny “obligation de service”, ny fandraisana mpampianatra sy ny maro hafa tafiditra ka ny lalàna vaovao no hifidianana ireo mpitantana eny amin’ny foibem-pikarohana sy ny onirvesite rehetra. Ny alakamisy ho avy izao vao hivory indray ny mpikambana ary hanambara ny tohin’ny hetsika. Raha ny tokony ho izy, miditra amin’ny taom-pianarana vaovao ny oniversiten’Antananarivo, ny 29 avrily ho avy izao.

Vonjy A.                     

Les commentaires sont fermées.