Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Les Orchidées Blanches: 45 taona ny fivarotana briosy

Les Orchidées Blanches: 45 taona ny fivarotana briosy

45 taona ny hetsika fivarotana briosy sy sokolà karakarain’ny fikambanana Lion’s Clubs sy ny akany fibeazana zaza manana fahasembanana amin’ny saina, Les Orchidées Blanches eny Androhibe. Ho an’ity taona ity, nosantarina, omaly teny an-toerana, ny varotra raha anio kosa vao ho hitan’ny daholobe eny amin’ny trano fivarotana lehibe Jumbo Score sy ny La City ny briosy sy ny sokolà, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy vitsy koa ny orinasa mandray anjara amin’ny fividianana ny mofo hozaraina amin’ny mpiasa ho tohana ho an’ny akany fibeazana. Anisan’ny manampy ny fidiram-bolan’ny akany ny varotra tahaka izao ary tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mofo sy ny sokolà lafo mandritra ny hateloana eto Antananarivo. 14 000 ny briosy raha 7 500 kosa ny sokolà hatosaka eny amin’ny toeram-pivarotana efa mahazatra ny rehetra. 126 amin’izao fotoana izao ny isan’ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny akany eny Androhibe. Tanjon’ny fikambanana ny hiaro ny zo sy ny tombontsoan’ny olona manana fahavotsana amin’ny saina. Homena fanabeazana sy fialamboly ary fampandraisana anjara amin’ny fiainan’ny mpiara-belona izy ireo. Mandany vola manodidina ny 200 000 Ar ny ankizy iray mandritra ny iray volana raha 10 000 Ar ka hatramin’ny 45 000 Ar ny vola fandraisana anjaran’ny ray aman-dreny, arakaraka ny fahafahany. Aloan’ny fikambanana ny elanelany ka izay no maha zava-dehibe ny hetsika fitadiavam-bolana toy ny varotra isan-taona briosy. Niova ny fijerin’ny olona ny ankizy manana fahavotsana amin’ny saina eo anivon’ny fiarahamonina taorian’ny hetsika “Opération brioches” hatramin’izay. Maro koa ireo ray aman-dreny nampiditra ny zanany eny amin’ny akany ary tsy vitsy ny olona na fikambanana nametraka fiaraha-miasa amin’ny akany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.