Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nahitam-bokany sahady ny hetsika nataon’ireo vondron-tafika ZRPS Bravo satria nahatratra omby halatra 157 izy ireo, ny alatsinainy teo. Omby nangalarin’ny dahalo tao amin’ny kizon’Ilapy fokontany Behoro, kaominina ambanivohitr’Isalo ireto omby ireto ary efa tafaverina amin’ny tompony. Voasambotra niaraka tamin’ireto omby ireto ny dahalo efatra ka sarona tany amin’izy ireo ny basim-borona miisa dimy sy basy vita gasy iray. Nalefa avy hatrany any amin’ny zandarimariam-pirenana ao Ankilizato izy ireo hanohizana ny fanadihadiana.

Les commentaires sont fermées.