Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

JIOI – Ministera: niantohana ny fampivondronana

Niantohan’ny minisiteran’ny  Tanora (MJS) tanteraka ny tapany voalohany. Nifarana, omaly, ny andiany voalohany amin’ny fampivondronana ireo atleta miisa 228, niaraka tamin’ny mpanazatra 46 , hiatrika  ny lalaon’ny Nosy “JIOI”. Nisy ny lanonana namaranana izany teny Bypass, nanaovana ny tatitra sy ny jery todika nandritra ny 30 andro. Niantoka tanteraka ny lany rehetra tamin’izany ary mbola miezaka mitady hatrany ny hanatsarana ny fanomanana ho an’ireo atleta  ny minisitera. “Mety nisy ny lesoka, saingy hatsaraina izany amin’ny tapany faharoa“, hoy izy ireo. Manan-danja voalohany ny atleta satria hifaninanana  izy  ireo. Nampiavaka ny tapany voalohany ny fiarahana mipetraka tamin’ny hotely lehibe, i Madagascar Espace Bypass sy ny M Hotel Ampefiloha ary mbola ho torak’izany ihany koa ny amin’ny tapany faharoa. Najanona ny fampivondronana amin’izao andro fety  izao na  tsy mbola tokony hifarana aza izany, raha ny fanazavana. Tsy mbola nanomboka kosa ny fampivondronana ho an’ny taranja miisa efatra, ahitana ny judo, ny voile, ny baolina kitra ary ny lomano noho ny antony teknika, raha ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MJS. Efa eo am-pijerena akaiky ny fanatsarana sy fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny taranja maromaro, ny MJS, ho an’ny fanoman-tena  hatrany. Anisany hisitraka izany, ny tenisy ambony latabatra, ny lomano, ny atletisma, ny fibatana fonjamby ary ny badminton. Nisaotra ny MJS ireo atleta sy ny solontenan’ny federasiona ary nangataka ny hanohizana izao ezaka izao hahazoana vokatra tsara.

Mi Raz

Les commentaires sont fermées.