Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiahiana ny mpiasa: hahazo tambiny ny SMKAR

Fiahiana ny mpiasa: hahazo tambiny ny SMKAR

 Hahazo tambin-karama momba ny fanadiovana ny loto sy ny fitaterana ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Anisan’ny tapaka izany tamin’ny fihaonana teo amin’ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao, sy ny filohan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), Andriantsoa Ankoay sy ny filoha lefitra, Randrianantoandro Tojo,  omaly. “Dimy ny fangatahanay fa azo aloha ireo roa ireo. Efa dingana izany amin’ny fijerena ny sosialin’ny mpiasa ataon’ny CUA. Matotra ny fiaraha-miasa eo aminay sy ny mpitantana ny Tanàna”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny SMKAR fa misy ny fihaonana matetika ataon’izy ireo sy ny ben’ny Tanàna ho entina hanatsara ny  fitantanana.  “Efa nisy ny fangatahan’ny mpiasa efa novalin’ny tompon’andraikitra. Anisan’izany  ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa nahavita be teo amin’ny asa.  Eo koa ny fanomezana ireo tombontsoa tambin-karama…”, hoy ihany izy ireo.

Nambaran’ny mpitantana ny tanàna  kosa fa mandeha tsikelikely ny famaliana  ny fangatahan’ny mpiasa.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.