Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Olona iray namoy ny ainy raha sivy kosa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga teny amin’ny RN 4, ny alatsinainy teo tao Ankorefo. Voalaza fa niala sarety ilay fiara ka tsy nahafehy ny familiana ny mpamily ka tra-doza avy hatrany ilay fiara. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo naratra. Nisy tamin’ireo mpandeha sasany no voatsindrin’ny entana, araka ny fanazavan’izy ireo. Mbola manaraka fitsaboana ny ankamaroan’ireo olona naratra raha efa afaka namonjy fodiana kosa ny sasany amin’izy ireo.

 

 

Les commentaires sont fermées.