Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery           

Mpivady 41 isa no nahafeno ny antontan-taratasy ilaina nanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe tao Ambatomainty, boriborintany fahadimy, ny herinandro lasa teo. Na maro aza ny namaly ny antso avy amin’ireo fokontany 27 ao anatin’ny boriborintany fahadimy, ireo ihany no nahavita ny antontan-taratasy ilaina. Vokatry ny ezaky ny boriborintany avokoa no nahafahana nanatanteraka ity hetsika natao maimaimpoana ity, hoy ny delegen’ny boriborintany fahadimy, Rakoto Emmanuel Richard.

Notontosaina ny herinandro teo ny fanamboarana ny lalankely izay mampitohy ny fokontany Ambodihady sy fokontany maromaro eo anivon’ny boriborintany fahenina. Nifarimbonan’ny ekipa teknikan’ny boriborintany fahenina sy ny ekipa avy tao amin’ny asa vaventin’ny kaominina ny asa. Ny ekipan’ny boriborintany no naka sy nanangona ary nitaona ireo vato nesorina tamin’ny sisin-dalana na “trottoir”. Ny ekipa avy tao amin’ny DTP kosa no nandrafitra ny vato hirindra tsara ho rarivato. Vato avy nalan’ny Colas tamin’ny sisin-dàlana ireny no nahavitana lalankely.

 

Les commentaires sont fermées.