Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa “Impact”: hotsinjaraina amin’ny «drone» misy haraton’aina ny fanafody

Tetikasa “Impact”: hotsinjaraina amin’ny «drone» misy haraton’aina ny fanafody

Nampahafantarina, omaly teny amin’ny foiben’ny Salama Anosiala, ny tetikasa vaovao fanatsarana ny fahazoana fanafody sy fitaovana ara-pahasalamana araka ny vina ankapoben’ny tsena eto Madagasikara (Impact). Mamatsy vola ny asa mandritra ny dimy taona ho avy hatramin’ny septambra 2023 ny USAID ary hanatanteraka izany ny mpiray ombon’antoka dimy ka mitarika ny PSI Madagascar miaraka amin’ny Path, ny MSH, ny Banyan Global ary ny Fondation Telma. Tanjona ny hamatsy fanafody ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana saro-dalana ka ampiasana ny teknolojia vaovao. Anisan’ny fitaovana ampiasaina ny « drone » ka voizina avy lavitra hitondra ny fanafody amin’ny toerana iray efa vofaritra mialoha. Rehefa tonga any amin’ny toerana, alatsaka amin’ny haraton’aina ny fanafody ary efa misy tomponandraikitra miandry ety ambany, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny PSI Madagascar, i Pierre Loup Lesage. « Tokony tsy hisy fahatapahany ny famatsiana fanafody hampahomby ny fandraisana an-tanana ny fahasalamam-bahoaka ka hiara-kiasa ny tobim-pahasalamana tantanin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Rakotonirina Julio. Hanampy ny Salama amin’ny fitsinjarana fanafody fototra rahateo ny fisian’ny tetikasa Impact.

Mbola mamely ny tazomoka

Faritra 13 ny iasana ary ny fandraisana ny fanafody hitsaboana sy hisorohana ny tazomoka, ny fanafody fandrindram-piterahana ary ny fanafody hikarakarana ny vehivavy mitondra vohoka sy ny zaza latsaky ny dimy taona no laharam-pahamehana ao anatin’ny tetikasa. Anisan’ny aretina mbola mamely ny vahoaka ny tazo, indrindra amin’ny faritra mafana sy be rotsak’orana. Na efa nihena aza ny olona maty sy mararin’ny tazomoka, mbola mitoetra ho antony mitarika ny fahafatesana eny amin’ny tobim-pahasalamana ny aretina. Ho an’ny fanafody fandrindram-piterahana kosa, mbola betsaka ny vehivavy maniry ny hampiasa azy, saingy tsy afaka noho ny antony samihafa. 38% ny tahan’ny fampiasana fanafody fandrindram-piterahana eto amintsika ny taona 2018, araka ny tatitry ny UNFPA farany teo.

Mitentina 32 tapitrisa dolara ny sorabola hanaovana ny asa rehetra.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique