Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Raharaha Brinks”: tazonina ao amin’ny BC ny tompon’ilay moto

Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) ary anaovana fanadihadiana, amin’izao fotoana izao, ny lehilahy iray tompon’ilay moto nampiasain’ireo jiolahy tamin’ny fanafihana ilay fiarabe nitondra vola an’ny orinasa Brinks teny Amoronakona By-Pass, ny asabotsy teo. Fantatra tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa voarohirohy tamin’ilay raharaha fanafihana Sinoa teny Masay, ny desambra 2018, ity lehilahy tompon’ilay moto nampiasain’ireo jiolahy ity. Nohamafisin’ny polisy hatrany fa hovitaina ny famotorana momba ilay raharaha fanafihana sinoa nahavoasaringotra ity lehilahy ity ary ho fanomezan-tanana ny zandary, hatolotra azy ireo avy hatrany izy momba ilay raharaha fanafihana ny fiaraben’ny orinasa Brinks teny Amoronakona. Mitohy kosa ny fikarohana ireo jiolahy tafaporitsaka nandritra ity fanafihana ity.

Jean Claude

 

 

Les commentaires sont fermées.