Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nikasa hiondrana ho any Maorisy: nidoboka am-ponja ireo roa vavy nampiasa kopia hosoka

Nikasa hiondrana ho any Maorisy: nidoboka am-ponja ireo roa vavy nampiasa kopia hosoka

Vehivavy roa indray nidoboka vonjimaika am-ponja eny Antanimora raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny lehilahy iray niaraka amin’izy ireo izay voarohirohy tamina fampiasana taratasy kopia hosoka. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny polisy miasa ao amin’ny SES Anosy, ny 8 avrily 2019 lasa teo, ireto olona telo ireto noho ity fampiasana taratasy hosoka ity. Tamin’io fotoana io, nikarakara antontan-taratasy hanaovana pasipaoro hiondrana ho any Maorisy ny vehivavy iray ka nandritra izany no nahitan’ireo polisy miasa ao amin’ity sampandraharaha ity fa hosoka avokoa ny ankamaroan’ireo antontan-taratasy teny aminy. Nandritra ny fanamarinan’izy ireo izany antontan-taratasin’ity tovovavy ity izany ny nahafantaran’ny polisy fa nanova anarana sy taona izy. Fantatra tamin’izany fa kara-panondro hosoka avy any Toliara ny nentiny ary kopia nalaina amin’ny anarana vaovao sy taona vaovao nalaina tany amin’ny faritra Antsirabe izay nikarakarana ireo antontan-taratasy ireo. Fantatry ny polisy miasa ao amin’ny fikarakarana ny pasipaoro koa fa efa nanamboatra pasipaoro tao ity tovovavy ity, ny 20 febroary 2015. Saika hiverina hiasa any Maorisy ny antony nanaovany izany antontan-taratasy vaovao izany kanjo izao tratra izao izy. Tratra niaraka taminy koa ny lehilahy iray sy vehivavy iray nanampy azy nanamboatra kopia tany amin’ny kaominina.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique