Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpizaka Stelarim: haseho ao amin’ny Craam ny « Tomara-kalo »

Mpizaka Stelarim: haseho ao amin’ny Craam ny « Tomara-kalo »

Hiaka-tsehatra indray ny Mpizaka Stelarim, hitondra ny “Tomara-kalo” ao amin’ny Craam Ankatso, rahampitso amin’ny 2 ora sy 17 mn tolakandro. Hetsika poezia maimaimpoana, iarahana amin’ireo mpiantsehatra eo anivon’ny Mpizaka ahitana an’i Fify Razakarison, i Fanojo, i Loufhika RJ, hotronin’ireo vahiny nasaina toa an’i Nianjara Masoandro sy i Fotopisaina. “Tomara-kalo izay midika ho taratra vaovao anaty literatiora, hitolomana amin’ny aizin’ny fanatontoloana mihamahazo laka mamotika ny tontolon’ny kolontsaina sy ny literatiora. Potika ny teny, very ny hasina maha zavakanto ny zavakanto. Izany indrindra ny hitondranay ny « Tomara-kalo », etsy amin’ny Craam. Eo koa ny fahatsapana ny adidy aman’andraikitra amin’ity firenena iombonana ity”, hoy i Fanojo.

Anisan’ireo fikambanana nitety ny taompolo maro, namolavola mpanoratra manana ny maha izy azy, ankehitriny ny Mpiangaly zavakanto sampana teny sy lahabolana ary riba malagasy na ny Mpizaka Stelarim. Tombony ho azy ireo ny fandalinana ny taranja malagasy eny amin’ny oniversite. Tsy hatoro voanjo hadina, raha ny eo amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy no hasian-teny.

Narilala

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique