Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpandrindra vaovaon’ny ONN: « Mila tsapan’ny isan-tokantrano ny vokatry ny fanjarian-tsakafo » 

Mpandrindra vaovaon’ny ONN: « Mila tsapan’ny isan-tokantrano ny vokatry ny fanjarian-tsakafo » 

“Tokony ho tsapan’ny isan-tokantrano ny fiantriakan’ny fanjarian-tsakafo”, hoy ny mpandrindra nasionaly vaovaon’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN), ny dokotera Solofonirina Lucie, omaly, nandritra ny fandraisany ny andraikitra teny Anosy. Tanjon’ny asa rehetra amin’ny ho avy ny fahombiazan’ny asa ho fanatsarana ny andavanandron’ny Malagasy rehetra, araka ny nambarany ihany. Nyu 10 avrily lasa teo no voatendry handray hitantana ny ONN ny tenany ka hisolo toerana an-Raveloharison Ambinintsoa.

Nahitam-bokatra azo tsapain-tanana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ka hotohizana izany miaraka amin’ny fandraisana anjaran’ny rehetra.

Efa manana traikefa amin’ny fitantanana tetikasa maro izy teny anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana ary hitondra izany ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nisy avy hatrany ny fivoriana niarahany tamin’ny teknisianina samihafa ao anatin’ny ONN.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique