Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mariky ny fitiavan-tanindrazana: hiara-hanangan-tsaina amin’ny mpianatra ny miaramila

Ho fanehoana sy mariky ny fitiavan-tanindrazana, hiaraka hanangan-tsaina amin’ny mpianatra any an-tsekoly ny miaramila. “Sekoly vitsivitsy ny hanombohana izany ary tezaina sy ampahafantarina ny mpianatra ny antony hananganan-tsaina. Fa maninona isika no manangan-tsaina? Inona ny dikan’ny loko fotsy, ny loko maitso, ny loko mena amin’ny sainam-pirenentsika”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, omaly teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Ho any an-tsekoly, araka izany, ny miaramila haneho ampahibemaso miaraka amin’ny mpianatra momba ny fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fampahafantarana sy ny fampianarana ny ankizy ny antony hananganan-tsaina. Nanamafy ity manamboninahitra ambony ity fa ankoatra ny maha mpitandro filaminana azy ireo, mitaiza ny fiarahamonina ihany koa izy ireo. Aorian’ny andrana amin’ireo sekoly vitsivitsy ireo, hiitatra amin’ireo sekoly hafa ihany koa izany.

J.C

Les commentaires sont fermées.