Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manja: dahalo iray matin’ny polisy

Manja: dahalo iray matin’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy tao amin’ny fokontany Taranta, 23 km atsinanan’i Manja an-tampon-tanàna, ny zoma lasa teo, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Zanely. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa mihaodihaody ao an-tanàna, tamin’io fotoana io, ny dahalo efa-dahy efa nokarohin’ny polisy hatramin’ny volana desambra 2018. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina avy hatrany teny an-toerana rehefa voamarina ny fisian’ireto dahalo ireto. Nifanehatra tamin’ny polisy ireto andian-dahalo ireto izay tsy nanaiky ny fisamborana azy ireo fa nitifitra ireo polisy tamin’ny basy ry zalahy. Henjana ny fifandonana ka tamin’izany no nahalavo ny an’i Zanely, saingy tafaporitsaka kosa ireo namany telo hafa izay mbola ifampitadiavan’ny polisy hatramin’izao. Tsiahivina fa notafihin’i Zanely sy ny namany ny tokantrano iray ao amin’ny fokontanin’i Taranta ka nahaverezana omby miisa 10. Voakapa famaky teo amin’ny lohany ny tovovavy iray nandritra ny fanafihana.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique