Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fibatana fonjamby: mizotra tsara ny fanazarantena eny By-Pass

Fibatana fonjamby: mizotra tsara ny fanazarantena eny By-Pass

Anisan’ireo taranja andrandrain’ny rehetra hahazoan’ny atleta malagasy fandresena maro, amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, ny taranja fibatana fonjamby. Raha tsahivina, isan’ny efa nitondra avo ny voninahi-pirenena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ny taona 2017, ireo mpibata fonjamby malagasy, nahazo medaly volamena miisa dimy. Toraka izany koa ny fiadiana ny tompondakan’ny ligy arabo, natao tany Egypta, ny taona 2018, nisalorantsika medaly volamena miisa telo. Tsy ambakan’izany ny amin’ity “Lalaon’ny Nosy”, hotanterahina any Maorisy, ny volana jolay ho avy izao, ity, raha ny nambaran’ireo atleta voafantina mivondrona sy manoman-tena eny By-Pass, amin’izao. Miisa 24, 12 lahy sy 12 vavy, izy ireo ny miatrika izany fampivondronana izany ary tena mifofotra tokoa manao ny ainy tsy ho zavatra hahazoana vokatra.

Eo amin’ity taranja ity hatrany, fantatra fa hotanterahina, ny 12 sy 13 mey izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana hatao any Toamasina, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Andriamanarivo Harinelina. Tafiditra tanteraka amin’ny fanomanantena amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ihany koa ity fifaninanam-pirenena ity, raha ny fanazavana hatrany. Ho hita taratra, mandritra izany, etsy ankilany, izay tena atleta mendrika hiatrika ity lalao iraisam-pirenena goavana ity. Raha ny tokony ho izy, amin’ny herinandro ho avy io no saika hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly ity, saingy noho ny fifanindriana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, dia nasiana fihemorana kely izany. Ity tompondakan’i Afrika ity izay hananan’i Madagasikara solontena.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique