Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fakafaka: ny tena malagasy, ny teny malagasy

 

Mazava be ange izany e! Malagasy ve tsy hiteny malagasy? Tsia, ny vahiny indray izao no miteny malagasy. Ekena, maka ny fon’ny Malagasy izy ireo satria hanao sarimonina kanefa na izany aza, eo ihany koa ny fitiavana ilay teny. Diniho tsara ireo tanora sasany eto an-dRenivohitra. Ny tena (vatana, endrika, fitafy, fihetsika), manalasala ihany ny iantsoana azy ireny hoe « malagasy ». Ambonin’ireo, ny teny aloaky ny vava, tsy ny an’ny razana intsony fa ilay nampidirina no indramina ka idedahana!

Hoy ilay mpandinika iray izay: « tsy vitan’ny fahantran’ny vatana no mahazo antsika fa itambesaran’ny fahantran’ny saina ihany koa…  Ary io no tsy mahatafarina an’i Madagasikara ». Raha tomorona akaiky io nambaran’ity mpandinika ny fiarahamonina ity io, ilay fomba fisainana ananan’ny Malagasy sasany mihitsy no mila harenina fa mahabotry firenena.

Tsy vahaolana intsony ny fifanomezan-tsiny. Ny zava-dehibe, fandraisana andraikitry ny tsirairay. Izay mahalala, manoro, manabe sy mitaiza. Tsy afa-bela amin’izany ny raiamandreny, ny mpampianatra, ny mpiara-monina iray manontolo mihitsy.

Sa sanatria ve ka hifampijery arina an-tava eto ny samy Malagasy?

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique