Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bongolava, Melaky: miaramila 400 halefa hampandry tany

Bongolava, Melaky: miaramila 400 halefa hampandry tany

Hanainga ato ho ato indray ireo miaramila miisa 400 hampandry tany any amin’ny faritra Bongolava, ny faritra Melaky, ny faritra Itasy, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ady amin’ny tsy fandriampahalemana hatrany izany. Nohamafisiny hatrany fa ampy ny fitaovana eo am-pelatanana fa mbola hampiana izany. Manomboka hita ny vokatry ny fampandrian-tany any amin’ny faritra avaratra andrefan’ny Nosy satria tsapa fa nihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana taorian’ny nandefasana ny vondron-tafika “Zone rurale prioritaire de sécurité” (ZRPS) miisa 400, efa ho roa volana lasa izay. Tsy mitovy amin’ny taloha ihany koa ny zava-misy any amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, Ambato Boeny ary koa Maevatanàna, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena hatrany. Nihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana araka ny nambarany nandritra ny fanomezan-tsodrano ireo andian-tafika vaovao (ZRPS) tao Antsirabe ny alakamisy teo.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique