Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Urban Trail: 4 000 ny mpihazakazaka  namaly ny antso

Urban Trail: 4 000 ny mpihazakazaka  namaly ny antso

Tontosa, omaly alahady, ny andiany faha-5 amin’ilay fifaninanana hazakazaka, nitondra ny anarana hoe “Urban Trail”. Hetsika nahazoana hatramin’ny 3 500 mpandray anjara, izay tena fahombiazana tokoa ho an’ny mpikarakara, ny Rotary Club Mahamasina. Marihina fa natao indrindra ho fanampiana amin’ny fiadiana amin’ny aretina lefakozatra maneran-tany ity hetsika ity. Efa narotsaka any amin’ny foiben’ny Rotary Club eran-tany ny vola azo tamin’izany, raha ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Tsiahivina fa efa fongana ity aretina lefakozatra ity eto Madagasikara, saingy tsy manakana ny hanohizana ny ady ho amin’izany isika, raha ny fanazavana hatrany. “Mila mifanentana, noho izany, ny fianakaviana sy mpinamana hanao vaksiny hatrany ny ankizy, hisorohana sy handehanana any amin’ny fahombiazana amin’ny ady atao”, hoy Rajaona Jean Luc, filohan’ny Rotary Club Mahamasina, tetsy Mahamasina, ka niantso hatrany ny rehetra mbola ho avy handray anjara amin’ny taona ho avy mandritra ny andiany manaraka.

Raha hiverenana ny fifaninanana, nizara sokajy roa ny tamin’ity, ny halavirana 6 km natokana ho an’ireo tsy manana kara-pilalaovana lehilahy sy vehivavy, nisokatra ho an’ny rehetra, sy ny manana kara-pilalaovana. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny sokajy ho an’ny halavirana 12 km, natokana ho an’ireo manana kara-pilalaovana. Araka ny voka-dalao, norombahin-dRasoarizay Clarisse ny amboara teo amin’ny vehivavy ary i William avy ao amin’ny CosPN kosa ny teo amin’ny lehilahy. Teo amin’ny sekoly mendrika indray, ny kolejy Saint-François Xavier Antanimena no nandrombaka izany, izay 247 ny mpianatra tonga nandray anjara ho azy ireo. Tetsy ankilany, ny Arabesque no mendrika teo amin’ireo orinasa tonga nifaninana.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique