Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toliara: hazo sarobidy tratra tao amin’ny Indosuma

Toliara: hazo sarobidy tratra tao amin’ny Indosuma

Araka ny loharanom-baovao avy any amin’ny foibem-paritry ny Ala sy ny tontolo iainana (DREF) any Atsimo Andrefana, nahatrarana hazo sarobidy voamboana, sy hazo tsotra maro tao amin’ny efitrano iray an’ny orinasa Indosuma, any Mitsinjo Toliara.

Niteraka resabe any an-toerana ity raharaha ity ary fantatra fa nogiazana, nohidin’ny tompon’andraiki-panjakana, ilay efitrano nahitana ireo hazo ireo.

Manao ny fanadihadiana lalina ny foibem-paritry ny Dreef Atsimo Andrefana, amin’izao fotoana izao. Hampiakarina any amin’ny fitsarana ny raharaha rehefa hita ny lafiny tsy ara-dalàna.

Tsy vao izao ny nahitana fandripahana tsy ara-dalàna ny hazo any amin’iny faritra tapany atsimo andrefan’ny Nosy iny. Vao notaterina teto tsy ela ny fanapotehana, ny fanaovana saribao sy ny fambolena any anaty faritra arovana any amin’ny alan’Antimena, faritra Menabe. Toraka izany koa ny any Vohibola Brickaville. Andrasana ny fandraisana andraikitry ny fanjakana, indrindra ny ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala, misahana voalohany ny fiarovana ny harena voajanahary eto amintsika satria fanamby lehibe ny nataon’ny filoham-pirenena ny handrakofana ala an’i Madagasikara.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.