Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara

Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara

 

Tontosa, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny andiany faharoa, amin’ny Kick-off – «Futsal tournament 2019». Voahosotra ho tompondaka ny UCM (Université catholique de Madagascar), rehefa nandresy ny Imgam, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 6 no ho 4. Niady ny lalaon’ny roa tonta satria nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisaraka tamin’ny isa mitovy, 3 no ho 3, ny roa tonta, teo am-pialan-tsasatra. Efa tany amin’ny 10 mn farany vao afaka ny UCM. Nitana ny laharana fahatelo ny IUM (Institut des universités de Madagascar).

Voahosotra ho mpilalao nampiditra baolina be indrindra i Rado avy amin’ny IUM ary i Rejela, kapitenin’ny Imgam, kosa ny mpilalao mendrika. Nomena ny mpianatra avy amin’ny Esmia ny amboaran’ny “fair-play” ary ny mpanohana ny INTH no nandrombaka ny “meilleur supporteur”.

“Afa-po izahay ary misaotra ireo mpanohana sy ny mpijery ary ireo mpandray anjara rehetra, ianareo mpanao gazety, tamin’ity andiany faharoa ity. Ezahina ny hanatsara ny andiany fahatelo”, hoy Rajaona Davida, filohan’ny IEP, mpikarakara.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.