Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Herinandro masina, herin’ny andro masina…       

Herinandro masina, herin’ny andro masina…       

Ao anatin’ny Herinandro masina isika izao. Nanomboka tamin’ny sampandrofia na ny sampankazo, omaly, izany, arakaraka ny fiangonana. Mialoha ny lalan’ny Hazofijaliana izay, ho amin’ny famonjen’ny Tompo sy Mpamonjy: fanafahana izay mino amin’ny fahotana, fandresena ny fahafatesana…

Fandalovana ny hoe Paska. Amin’ny fiomanana amin’izany, mitondra inona eo amin’ny tsirairay ny hoe Herinandro masina? Na ny herin’ny andro masina… Fa nanana ny hasiny sy ny heriny ny andro nanomboka teo amin’ny sampandrofia na ny sampankazo, mandra-pitsangan’ny Tompo tamin’ny maty.

Nitondra ho amin’ny fandresena sy ny fahavelomana indray ny fiaretana sy ny faharetana hatramin’ny fahafatesana. Tsaroana amin’izany, ohatra, ny hoe: “Vita”, tenin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana tamin’ny nanolorany ny fanahiny, araka ny Jaona 19: 20. Mila vitaina izay natomboka hoe hatao.

Amin’izao tontolo izao na amin’izao fiainana izao kosa: mba mitondra inona ny lalan’ny Hazofijaliana mbola izoran’ny vahoaka isan’andro mandavantaona, raha ny eto Madagasikara, ohatra, no asian-teny? Kibo mitsara tena ny tsirairay, arakaraka ny toerana isiana sy izay atao ary kendrena amin’izany.

Na ahoana na ahoana, tokony hisy dikany sy vidiny ny fiaretana sy ny faharetana ny mafy sady sarotra amin’ny fahantrana: efa fahoriana ny fihafiana raha tsy ananana fanantenana amin’ny ho avy, tsy hiotazam-bokatra. Amin’izany, mba misy fiovana sy fanovana ahay na ny fomba fijery mahazatra ihany aza.

Efa misy ve izay hoe fiovana sy fanovana? Eny, na eo amin’ny tsirairay avy ihany aza aloha, na ny isan-tokantrano, na ny isam-paritra… Efa misy ve, ohatra, ny fahatsiarovan-tena, ny fiheverana ny hafa, ny fifampitsinjovana, ny fifampitokisana, ny fifanampiana, ny fiaraha-mientana sy mihetsika…?

Fotoana fisaintsaina izao Herinandro masina izao, raha tiana tokoa ny hisian’ny fiarenana sy fijoroana ho amin’ny fahavelomana, ny fahombiazana, ny fandrosoana… Tsy avela handalo fotsiny amin’izao ny fiomanana amin’ny Paska na Paka toy izao. Mba hananana ny heriny ny andro tsirairay mandra-pahatonga izay?

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.