Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Finoana kristianina: manomboka ny «Herinandro masina»

Finoana kristianina: manomboka ny «Herinandro masina»

Miditra fotoan-dehibe ny mpino kristianina, nanomboka omaly. Tsy inona izany fa ny fitsenana ny fetin’ny Paska, ny “Herinandro masina”. Nisantarana izany ny Alahadin’ny sampandrofia na ny Sampankazo (ho an’ny mpino katolika), omaly. Fotoana ahatsiarovana ny nisamborana sy ny nanamelohana ary ny nahafatesan’i Jesosy Kristy teo amin’ny Hazo fijaliana ny “Herinandro masina”.

Ho an’ny omaly, notsiahivina ny fotoana nidirany tao Jerosalema, toerana nandraisana Azy tamim-pomba manetriketrika ka nitondran’ny mponina, tamin’izany fotoana izany, sampandrofia, nahofahofaina ho mariky ny fihobiana sy fankasitrahana Azy. Ho an’ny mpino katolika, tsofin-drano sy hamasinina ny sampankazo.

Io fotoana nahatongavan’i Jesosy Kristy tao Jerosalema io koa anefa no manamarika ny fiantombohan’ny fanomboana Azy. Saika manatanteraka fotoam-pivavahana ny ankamaroan’ny fiangonana kristianina, manomboka androany alatsinainy. Andro lehibe ny alakamisy, fotoana ahatsiarovana ny nanasan’i Jesosy ny tongotr’ireo mpianany.

Ho an’ny fiangonana katolika, manamarika ny andro zoma ny “lalan’ny hazo fijaliana”, fotoana ahatsiarovana ireo endri-pampijaliana maro nihatra tamin’i Jesosy Kristy sy ireo tranga nandritra ny diany nihazo ny toerana namantsihana azy tamin’ny Hazofijaliana. Ny asabotsy kosa, tsy misy ny fotoam-bavaka lehibe fa miandry sy miomana amin’ny fankalazana ny alahadin’ny Paska, andro nitsanganan’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny maty.

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique