Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifaninanana ho mpiasam-panjakana: hampiasana “camera de suvreillance” ny ao amin’ny Infa

Fifaninanana ho mpiasam-panjakana: hampiasana “camera de suvreillance” ny ao amin’ny Infa

Tsy ny sehatra hafa ihany. Vonona amin’ny ady amin’ny kolikoly ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa. Hampiasana “camera de suvreillance” ny ao amin’ny Infa…

Vaky ny ady amin’ny kolikoly. Fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta, tafiditra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Hampiasaina ny camera de surveillancehampangarahara ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpiasam-panjakana ao amin’ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fanofanana ho mpiasam-panjakana Infa, hoy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, tamin’ny alalan’ny minisitra Ramampy Gisèle, sy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean Louis, ary ny tale jeneralin’ity sekoly ity, Rabenarivo Lanto. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tetsy 67 ha ny fifanaovan-tsonian’ny telo tonta ho fiaraha-miasa momba izany. Nambaran’izy ireo fa hotilina amin’izany fitaovana izany ny fihetsiky ny mpitsara fanadinana sy ireo mpikirakira ny naoty ary ny misahana ny lisitry ny mpiadina afaka. Hentitra kosa ny minisitra. Hatolotra avy hatrany ny fitsarana ireo tratra na sarona amin’izany, hoy izy. Maherin’ny 16 000 ireo mpiadina hiatrika ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpiasam-panjakana amin’ny toeram-panadinana miisa 23 manerana ny Nosy. Telo ireo taranja atrehin’ny mpiadina ary fito ireo sampana andraisana mpianatra amin’izany. Eo ny« adjoint d’administration », ny « assistant d’administration », ny « contrôleur des domaines », ny « assistant-rédacteur des domaines », ny « contrôleur de travail », ny « adjoint technique de la statistique et assistant technique de la statistique ». Efa azon’ireo mpiadina nalaina nanomboka ny alakamisy teo ny taratasy fiantsoana ho an’ny eto Analamanga. Manomboka anio kosa ny any amin’ny faritra.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique