Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atsimo Atsinanana: fanofanan’ny Cnaps

Atsimo Atsinanana: fanofanan’ny Cnaps

Manodidina ny 200 ny mpitondra ao amin’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM, nanaraka fiofanana nomen’ny Tahirim-pirenena misahana ny lafiny sosialy (Cnaps) tany Farafangana, synodam-paritany Atsimo Atsinanana, ny herinadro lasa teo. Avy amin’ny fileovana miisa 33 izy ireo, nahitana pastora, talen’ny sampandraharaha, tonian’ny sampam-pikambanana, sns.

Anisan’ny nojerena manokana ny fomba hampidirana katekista miisa 1 003 ao anatin’ny valaben’ny Cnaps raha toa ka miisa 1 042 izy ireo ao anatin’ny synoda, ho tohin’ny fiofanana efa nomena ny FLM ny taona 2018.

Toy ny orinasa tsy miankina rehetra, fehezin’ny lalàna mifehy ny fiahiana sosialy ny fiangonana. Didin’ny lalàna ny mpampiasa hampiditra ny mpiasa ao anatin’ny Cnaps, sady mandoa ny latsakemboka, mba hahazoan’ny mpiasa ny zony.

Drafitrasa manokana ho an’ny katekista

Nilaza ny talen’ny Fitantanana ao amin’ny Cnaps, Rakotomila, fa natomboka eto Farafangana ny fampidirana ireo katekista ho mpikambana Cnaps ary hitarina manerana ny Nosy. Hoezahina ho vita hatramin’ny taona 2020 izany. Nanazava ny pastora Andrianjafy Otcave Benil fa “nanaovana drafitrasa manokana mihitsy ireo katekista miisa 1 003 ireo hampiakarana ny tahan’ny fiahiana sosialy ato anatin’ny synodam-paritany. “Manana zo toy ny mpiasa rehetra ny katekista”, hoy ny pastora Rasolondrainy Martin. “Zava-dehibe ny fiofanana satria nahafantaran’ny any ambanivolo ny tombontsoan’ny fiahiana sosialy”, hoy ny pasitora Rakoto Joseph Benoa.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique