Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Arts visuels » – « Imaginarium à Abidjan»: mampiranty any Cote d’Ivoire i Idah Razafindrakoto

« Arts visuels » – « Imaginarium à Abidjan»: mampiranty any Cote d’Ivoire i Idah Razafindrakoto

Eo amin’ny tontolon’ny « arts visuels »,  anisan’ny misongadina, tsy eto an-toerana ihany fa hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena, i Idah Razafindrakoto. Tanora, teratany malagasy mikirakira sy mandalina momba ny tantara an-tsary. Tafiditra ao anatin’ny mpakanto « carnéttiste » rahateo ihany koa i Ida (anarana amin’ny maha mpanakanto azy). Manatanteraka fampirantiana any Abidjan izy amin’izao volana avrily izao. Ranty nampitondraina ny lohateny « Imaginarium à Abidjan». Mifantoka kokoa any amin’ny lohahevitra fanentanana ny amin’ny tokony hikajiana ny tontolo iainana ity hetsika ity. Saika tazana ao avokoa ireo haikanto voasokajy ao anatin’ny « arts visuels ». Anisan’izany ny sary, ny tantara an-tsary, sns. Izao tontolo izao mihitsy no tairin’I Ida mba hanao ezaka hitaiza sy hanabe ny ankizy sy ny tanora hanasoa ny tontolo iainana mba hitondra fampandrosoana maharitra.

Marihina fa fa firenena maro ny hanehoany izao talenta sy hafatra tiany hampitaina izao. Anisan’ireny i Madagasikara, i Ghana, i Malaisie…

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.