Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jery taratra… herinandro

Manomboka ny asa tsy vita tamin’ny lasa       

Nanao fivoriana atrikasa amin’ny fampitoviana ny famakiana ny lalàm-pifidianana ny HCC sy ny Ceni ary ny vaomiera mpanisa vato (CRMV). Niaraha-nijery tamin’izany ny fomba fikirakirana voka-pifidianana, ny fifanolanana amin’ny fifidianana, ny porofo amin’ny fitoriana sy fitarainana momba ny fifidianana.

Nilaza ny HCC sy ny Ceni fa sarotra fehezina ny mialoha ny fampielezan-kevitra. Tsy misy lalàna momba izany. Mampitandrina no azo atao. Na izany aza, mampiala an-daharana ny kandidà ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Halavaina ny fampielezan-kevitra, raha tiana hofehezina, araka ny tolo-kevitry ny HCC.

Nanidy ny vavahadin’ny oniversite ny Seces, efa tsy nampianatra iray volana. Mitokona koa ny any amin’ny faritany. Niverina niasa ireo mpiasan’ny fananan-tany noho ny fifampidinihana eo amin’ny minisitera mpiahy ny amin’ireo mpiasa tanana am-ponja vonjimaika noho ny fivarotana tanim-panjakana.

Nilaza ny praiminisitra fa hanasazy ireo nandinika lalàna tamin’ny “Raharaha Maroantsetra” ny fanjakana. Misy olona tao ambadika ireny, matoa misy resaka toaka sy rongony. Efa nanapahan-kevitra ireo polisy nahavanon-doza. Tsy azo ekena ny fitsaram-bahoaka. Mila fiaraha-mientana ny fanitsiana sy ny fanovana.

Miroso amin’ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo: hatao vakoka iraisam-pirenena, hovitaina alohan’ny fankalazana ny faha-60 taon’ny Fahaleovantena. Hanomboka ny fanaovana ny lalana RN5 A, 158 Km mampitohy an’Ambilobe sy i Vohemara, izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta sinoa.

Nisy ny fakan-kevitra tamin’ireo tompona haino aman-jery amin’ny hanovana ny lalàna mifehy ny fifandraisana amin’ny haino aman-jery, nokarakarain’ny minisiteran’ny Serasera. Hosoloina ny karatra maha mpanao gazety, ary afa-kanenika an’i Madagasikara amin’izay ny haino aman-jery tsy miankina.

Aiza ho aiza kosa ny fiainam-bahoaka andavanandro? Mba efa misy lasa raha mitaha amin’ny lasa…

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.