Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanao gazety ara-panatanjahantena: notoloran’ny Nino Design fanamiana filalaovam-baolina

Mpanao gazety ara-panatanjahantena: notoloran’ny Nino Design fanamiana filalaovam-baolina

« Maillots » filalaovam-baolina miampy « ténue d’arrivée » miisa 20, omaly no natolotry ny orinasa Nino Design International, ny ekipan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena tetsy amin’ny toeram-ponenany Ambanidia. Nambaran-dRazafimamonjy Jocelyn, mpitantana ity Orinasa ity, fa andro lehibe sy mana-tantara izao, indrindra eo amin’ny fifandraisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena sy ny orinasa Nino Design. Betsaka no mahay ary maro amin’ireo mpanao gazety ireo no efa hitako, hoy izy fa mahay baolina, izay no nahatonga ny tenako tsy nisalasala nanohana azy ireo. Santatra am-bava rano ihany moa izao ka inoana fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa. Nohamafisin’ingahy Jocelyn Razafimamonjy, betsaka amin’izao no efa miakanjo ity marika Nino ity ny eto amintsika, anjaran’ny mpanao gazety izao no mahazo izany. Nirary soa moa ny tenany mba hitondra fandresena ity fanamiana vaovao ity. Naneho fisaorana amin’ny fahazoana izao fanamiana izao moa ny namana Jacquinot Rakotomanana, nisolotena ny mpanao gazety, efa fanirian’ny mpanao gazety hatry ny ela ny hisalotra ny akanjo nino toy ny mpilalao rehetra, tsy any amin’ny soratra sy ny haino aman-jery ihany no isehoan’ny mpanao gazety, hoy izy fa hita eny amin’ny kianja ihany koa milalao baolina izy ireo. Nomarihin’i Jocelyn hatrany, ekipa 14 no miankanjo nino mbola tafita sy miatrika ireo fifaninanam-pirenena, efa mahatratra hatramin’ny 25 kosa ireo klioba miara-miasa sy misalotra ity akanjo Nino Design ity, efatra kosa ny klioba atsy La Réunion.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.