Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Iny lalàna iny!

Iny lalàna iny!

Vita sonia ny fifanarahana lasitra eo amin’ny Sina sy i Madagasikara hanamboarana ny lalampirenena RN5 A mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriantsitohaina Naina sy ny solontenan’ny masoivohon’i Sina, Chen Xiaolei, no nanao izany teo imason’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry teny amin’ny Lapan’Iavoloha. Taratry ny maha zava-dehibe ny asa atao izany. Efa taona maro tokoa mantsy no nijaly ny mampiasa ity lalàna ity, saingy izao vao ho tanteraka ny fanamboarana. Hanova ny fiainan’ireo mponina any an-toerna izany izay mivelona amin’ny vokatra fanondrana ny ankamaroany, raha tsy hiresaka afa-tsy ny lavanila isika. Ny fanamboarana rahateo hiteraka asa maro na ao anaty fotoana voafetra aza. Miandry koa ireo mponina any Alaotra amin’izay hanaovana ny lalam-pirenena faha-44 miala eo Moramanga hatrany Vodihala. Mety hamaha ny olan’ny famatsiam-bary ny ho fahavitany izy ity.

Eto misy ihany ny tsetsatsetra tsy aritra. Manao ahoana ny fikojana sy ny fitandrovana ireny zava-bita ireny. Tadidio anie fa ny alin’ny fitokanana ihany aza dia tapitra nisy nangalatra ny takelaka mandrindra ny fifamoivozana tetsy amin’ny Boulevard de l’Europe! Ny tsena etsy Anosibe efa potika ny fotodrafitrasa, miverina ny fofona maimbo, mivarotra eny an-dalambe ny rehetra. Rehefa tsy hahavita ihany isika Malagasy, tsy mety ve ny manaja ireny fanomezana natolotry ny vahiny ireny? Ny mpitondra no niova fa ilay toe-tsaina lomorina mitoetra hatrany. Koa miverina “zero” hoy ny fitenenana ankehitriny ny ezaka natao mba hampandrosoana ny firenena. Hita anefa tato ho ato fa mirodorodo manampy antsika ireo mpamatsy vola vahiny. Tsy nitombina ny resaky ny sasany hoe izy ihany no atokisan’ireto mpiara-miombon’antoka ireto. Ka misioka tokana izy dia vita ny afera. Mbola ho maro ny zavatra hotontosaina kanefa hita ny finiavana avy amin’ny fitondrana hanova zavatra, hiala amin’ny mahazatra. Ny vahoaka sisa no erany. Herim-po very maina ireny raha hosimbaina sy hanaovana hala-botry ny tetikasa mijoro sy mitsangana. Izay ilay tena fiovana handrasana e!

Vonjy Andrianjaka 

Les commentaires sont fermées.