Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seho telo: any Fianarantsoa ny Ny Sakelidalana

Seho telo: any Fianarantsoa ny Ny Sakelidalana

Telo avy hatrany ny fampisehoana lehibe hatolotry ny tarika Ny Sakelidalana ho an’ny mponin’i Fianarantsoa amin’ity herinandro ity. Hanokatra izany ny « cabaret » ao amin’ny espace Andry (ex-Tranompokonolona Tsianolondroa), ny alin’ny 12 avrily. Ankoatra ny tarika Ny Sakelidalana, hiantsehatra ihany koa ny tarika MRJ, milalao ny gadon-kira maroloko. Tarika tsy zovina amin’ny mponin’i Fianarantsoa. Hitohy ny tolakandron’ny 13 avrily izany. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny Ekar Fo Masin’i Jesoa. Ny tolakandron’ny 14 avrily, ao amin’ny espace Andry ihany, faranana amin’ny rindran-kira evanjelika handraisan’ny tarika Noely (Ny Sakelidalana) sy ry zareo MRJ anjara ny fampisehoana.

Ankoatra ny fifandimbiasana eny an-tsehatra, hisy ny fampiaraham-peo eo amin’ny Ny Sakelidalana sy ny tarika MRJ. Fiaraha-mikalo ny « Ilay takariva kely », ny « Fitia manalasala », sns. Fantatra fa fihaonan’ny tia sy ny manina ity fiarahan’ny tarika Ny Sakelidalana sy ny tarika MRJ ity. Ry zareo ireto (tarika MRJ zanak’i Fianarantsoa) rahateo no mikarakara ity seho ity.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.