Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto: tolo-tanana ho an’i Pierrot Matatana

Tsy niandry ela. Vantany vao nahaheno ny vaovao momba ny tsy fahasalaman’i Pierrot Matatana, niketrika hetsika avy hatrany ireo mpanakanto namany. Hisy ny tolo-tanana voalohany, haka endrika fampisehoana, hotontosaina ao amin’ny Le Glacier Analakely, ny asabotsy 13 avrily izao manomboka amin’ny 8 ora alina. Hifandimby hanafana ny sehatra amin’izany ry Black Nadia, Lôla, Willy, Dah-Mama, Lianah, Taa-Tense, Adrien, Cassi, Dhalia Sharamba, John MC, Mihary Vibration, Kimil, Mario, Pa-Hery, sns. Mazava ho azy fa eo koa i Dat’kotry, izay rahalahin’i Pierrot Matatana, sady solontenan’ny fianakaviana. Tsiahivina hatrany fa mila vola hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar izy handefasana azy hitsabo tena any ivelany.

Fampirantiana ny tantara momba ny toekarena
Mandray hetsika vaovao mahaliana ny maro ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy. Nosokafana, omaly tamin’ny fomba ofisialy, mantsy ilay fampirantiana mahakasika ny tantara momba ny toekaren’i Madagasikara, nanomboka ny taona 1960 ka hatramin’izao. Tsara ho fantatra ho an’ny mpianatra, ny mpikaroka, ny olon-tsotra liana, ny mpandraharaha toekarena, sns, izany. Hifarana ny 19 avrily izao ny fampirantiana. Hifindra eny amin’ny Cemdlac Analakely kosa, ny 22 avrily hatramin’ny 10 mey, izany.

Nangonin’i Zo ny Aina

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique