Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly: Minisitra HVM iray voarohirohy amin’ny trafikana andramena

Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly: Minisitra HVM iray voarohirohy amin’ny trafikana andramena

Mipoitra tsikelikely  hatrany. Minisitra iray amin’ny fitondrana teo aloha indray no voatonontonona sy voarohirohy amin’ny fanondranana an-tsokosoko andramena. Efa heno  hatrany ihany ny anarany tamin’ny fotoan’androny ary izao nomahafisin’ny rantsam-pitsarana momba  ny kolikoly (Pac) izao.

16 ireo antontan-taratasy dinihin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly amin’izao fotoana izao. Ahitana minisitra iray  teo aloha,  tamin’ny taona 2014  izany ary tafiditra amin’ny  fanondranana an-tsokosoko  andramena”, hoy ny lehiben’ny rantsam-pitsarana ( Pac), Mamonjy Berthin, tetsy  Tsaralalàna, omaly. Nanteriny fa mbola  ao anatin’ny famotorana avokoa ny  momba ireo raharaha rehetra ireo. Ahitana olona avy any amin’ny  faritra  sy olona ambony teo aloha izany.  Niaiky kosa anefa ny  tanany fa mananosarotra ny fiantsoana azy  ireo. Na  izany  aza, efa mitady ny  fombafomba rehetra hanatonana azy ireo any amin’ireny toerana ireny ny Pac. Notsiahiviny koa fa efa misy migadra,  asa an-terivozona mandram-pahafaty.

Misy anaran’olona ambony efa heno koa… 

Etsy andaniny, nambarany fa hosahanin’ny eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ), misahana ny fitsarana ireo mpitondra ambony io minisitra na olona ambony teo aloha io.  Efa misy anaran’olona  hafa koa eo an-tanan’izy ireo saingy  tsy tena mbola hita  taratra izany. “Arakaraka ny fizotry ny famotorana ihany ny ahitana ny  momba azy  io”, hoy ihany izy.

Ankoatra izany, notsiahivin’ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques kosa ny momba ny fampiatoana ireo mpitsara any Toamasina ka nilazany fa tokony jerena  tsara ny vesatra  iampangana vao mampiditra olona am-ponja. “Mba tsy ho lasa fomba mahazatra fotsiny ihany izany…”, hoy  ihany izy.

Fanafainganana ny fitsarana  ireo any am-ponja

Mbola nanteriny hatrany koa ny ezaka ataon’ny fitsarana ny amin’ny hanafainganana sy fandinihana ny fitsarana  ireo voatazona any am-ponja. Hisy ny fidinana ifotony hataon’ny minisitra momba izany. Manampy izany, hohatsaraina mba ho maoderina kokoa ny tontolon’ny fitsarana amin’ny alalan’ny  fampitaovana ka hatao ho ara-informatika kokoa izany. Hatsaraina hatrany koa ny fomba fiasa.  Hatao filamatra  ho amin’izany ny any Antsirabe sy i Vatomandry amin’izao voalohany izao. Tsiahivina  fa namory ireo lehiben’ny fampanoavana manerana ny Nosy ny minisiteran’ny Fitsarana nanomezana toromarika azy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny asany sy ny hanatsarana izany hatrany.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique