Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Ramatoa iray 40 taona no tratra teo am-pivarotana teny Anosizato, ny asabotsy teo. Loharanom-baovao no nahafantaran’ny polisin’ny Stup fa misy olona mivarotra rongony eny amin’iny faritra Anosizato iny. Nidina teny an-toerana ny polisy ka tratra teo an-tsisin-dalana teny amin’io faritra io ity ramatoa mpanao trafikana rongony ity. Mbola tratra teny aminy ny rongony milanja 4 kg izay nofonosina selofanina ary nafatratra tao anaty gony. Fantatra fa rongony avy any amin’ny faritra atsimo ireto rongony ireto. Nilaza ity ramatoa ity fa vao avy notsenaina ireto rongony ireto ary nokasaina hamatsiana ny Renivohitra kanjo izao tratran’ny polisy izao.

Les commentaires sont fermées.